Asan'ny Apostoly 8:25-40 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.

26. Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.

27. Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;

28. dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany

29. Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.

30. Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?

31. Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.

32. Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;

33. Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8).

34. Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?

35. Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.

36. Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?

38. Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.

39. Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.

40. Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

Asan'ny Apostoly 8