Asan'ny Apostoly 20:21-25 Malagasy Bible (MG1865)

21. ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika.

22. Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,

23. afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanĂ na, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.

24. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

25. Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.

Asan'ny Apostoly 20