Asan'ny Apostoly 10:25-30 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.

26. Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.

27. Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.

28. Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.

29. Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?

30. Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako

Asan'ny Apostoly 10