4. Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5. Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
6. Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
7. Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
8. Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9. Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.