Tonon-Kiran'i Solomona 7:8-10 Malagasy Bible (MG1865)

8. Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.

9. Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,

10. Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.

Tonon-Kiran'i Solomona 7