Tonon-Kiran'i Solomona 3:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.

8. An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.

9. Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona:

10. Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.

11. Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.

Tonon-Kiran'i Solomona 3