Tonon-Kiran'i Solomona 2:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.

6. Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.

7. Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.

8. Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.

9. Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.

10. Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!

11. Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;

12. Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.

Tonon-Kiran'i Solomona 2