Salamo 98:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.

2. Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.

3. Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

4. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.

5. Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,

Salamo 98