Salamo 94:10-17 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?

11. Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.

12. Sambatra izay olona anarinao, Jehovah รด, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,

13. Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14. Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.

15. Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra

16. Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?

17. Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.

Salamo 94