Salamo 91:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.

2. Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.

3. Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

4. Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

Salamo 91