Salamo 88:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.

4. Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;

5. Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.

6. Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7. Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

Salamo 88