Salamo 85:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.

4. Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.

5. Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?

6. Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?

7. Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.

8. Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.

Salamo 85