Salamo 77:8-17 Malagasy Bible (MG1865)

8. Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

9. Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?

10. Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.

11. Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

12. Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.

13. Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra?

14. Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.

15. Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.

16. Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.

17. Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.

Salamo 77