Salamo 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.

2. Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.

3. Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.

4. Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.

5. Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.

6. Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.

7. Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.

Salamo 5