Salamo 48:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

11. Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.

12. Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,

13. Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.

14. Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.

Salamo 48