4. Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5. Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
6. Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
7. Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
8. Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
9. Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.