9. Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
10. Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
11. Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
12. Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
13. Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.