4. Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
5. Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
6. Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
7. Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;
8. Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
9. Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!