Salamo 27:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

10. Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.

11. Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah รด; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.

12. Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.

13. Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.

14. Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.

Salamo 27