3. Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4. Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5. Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6. Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
7. Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8. Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
9. Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10. Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.
11. Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
12. Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13. Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
14. Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.