3. Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
4. Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
5. Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6. Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra รด; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7. Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8. Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9. Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.