12. Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
13. Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
14. Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.