Salamo 146:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.

3. Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.

4. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.

5. Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny,

6. Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,

Salamo 146