12. Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
13. Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14. Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.
15. Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.