Salamo 132:10-13 Malagasy Bible (MG1865)

10. Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.

11. Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.

12. Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.

13. Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.

Salamo 132