Salamo 130:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,

2. Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

3. Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?

4. Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.

5. Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.

Salamo 130