Salamo 127:2-5 Malagasy Bible (MG1865)

2. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.

3. Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.

Salamo 127