Salamo 123:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.

2. Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.

3. Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

Salamo 123