Salamo 119:12-23 Malagasy Bible (MG1865)

12. Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.

13. Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.

14. Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.

15. Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.

16. Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.

17. Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.

18. Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.

19. Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.

20. Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.

21. Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.

22. Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.

23. Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.

Salamo 119