Salamo 113:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.

2. Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

3. Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.

4. Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.

5. Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,

Salamo 113