Salamo 107:11-31 Malagasy Bible (MG1865)

11. Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;

12. Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;

13. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.

14. Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.

15. Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!

16. Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.

17. Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:

18. Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.

19. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.

20. Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.

21. Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!

22. Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.

23. Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe

24. No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.

25. Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;

26. Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.

27. Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.

28. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.

29. Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.

30. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.

31. Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!

Salamo 107