14. Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
15. Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
16. Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
17. Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.
18. Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
19. Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20. Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21. Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22. Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
23. Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.