Salamo 105:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.

5. Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

6. Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.

7. Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

8. Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,

9. Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;

10. Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,

Salamo 105