Salamo 105:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

2. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

3. Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.

4. Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.

5. Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

6. Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.

7. Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

Salamo 105