Rota 3:4-7 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.

5. Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.

6. Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.

7. Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Rota 3