1. Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
2. Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovĂ amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
3. Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4. Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,