Romana 10:5-14 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).

6. Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)

7. na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)

8. Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;

9. satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.

10. Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

11. Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).

12. Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.

13. Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).

14. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?

Romana 10