Romana 10:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.

2. Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.

3. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.

4. Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.

5. Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).

6. Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)

Romana 10