Ohabolana 2:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,

2. Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;

3. Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,

4. Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:

5. Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.

6. Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.

7. Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;

Ohabolana 2