Ohabolana 16:12-15 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.

13. Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.

14. Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.

15. Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.

Ohabolana 16