10. Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
11. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12. Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13. satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15. Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
16. Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.