Nomery 25:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

7. Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;

8. dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.

9. Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.

Nomery 25