2. Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
3. Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
4. Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
5. Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6. Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7. Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.