25. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26. Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
27. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28. Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
29. Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.