27. Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
28. ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29. Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.