Nomery 16:29-33 Malagasy Bible (MG1865)

29. Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.

30. Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.

31. Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;

32. eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.

33. Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.

Nomery 16