Nehemia 7:41-47 Malagasy Bible (MG1865)

41. ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;

42. ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.

43. Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.

44. Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.

45. Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.

46. Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,

47. ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,

Nehemia 7