1. Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
2. dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3. Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
4. Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
5. Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
6. Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,