Nehemia 13:13-15 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.

14. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro รด, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.

15. Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.

Nehemia 13