Nahoma 2:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.

4. Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.

5. Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.

6. Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.

7. Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.

8. Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.

Nahoma 2